Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II CHRONICLES
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 26
II C Mg1865 26:1  Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny Joda naka an’ i Ozia, izay enina ambin’ ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’ i Amazia rainy.
II C Mg1865 26:2  Izy no nanamboatra an’ i Elota ka nampody azy ho an’ ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin’ ny razany ny mpanajaka.
II C Mg1865 26:3  Enina ambin’ ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
II C Mg1865 26:4  Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy.
II C Mg1865 26:5  Ary nitady an’ Andriamanitra izy tamin’ ny andron’ i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an’ Andriamanitra; ary tamin’ ny andro nitadiavany an’ i Jehovah dia nambinin’ Andriamanitra izy.
II C Mg1865 26:6  Ary nivoaka izy ka niady tamin’ ny Filistina, dia nandrava ny mandan’ i Gata sy ny an’ i Jabne sy ny an’ i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin’ ny Filistina.
II C Mg1865 26:7  Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
II C Mg1865 26:8  Ary ny Amonita nandoa hetra ho an’ i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin’ i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.
II C Mg1865 26:9  Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ ny vavahady an-jorony sy teo amin’ ny vavahady mankao amin’ ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
II C Mg1865 26:10  Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman’ ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.
II C Mg1865 26:11  Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan’ i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin’ i Hanania, anankiray tamin’ ny komandy voatendrin’ ny mpanjaka.
II C Mg1865 26:12  Enin-jato amby roa rivo no isan’ ny lohan’ ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
II C Mg1865 26:13  Ary ny miaramila fehezin’ ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin’ ny fahavalony.
II C Mg1865 26:14  Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton’ antsamotady ho an’ ireo miaramila rehetra ireo.
II C Mg1865 26:15  Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan’ ny mahay zavatra, hapetraka eo amin’ ny tilikambo sy eo an-tampon’ ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’ i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.
II C Mg1865 26:16  Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
II C Mg1865 26:17  Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin’ ny valo-polo lahy amin’ ny mpisoron’ i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa.
II C Mg1865 26:18  Ary nanohitra an’ i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona ihany, dia ny taranak’ i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ ny fitoerana masìna, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitra izany.
II C Mg1865 26:19  Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin’ ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin’ ny handriny teo anatrehan’ ny mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah, tanilan’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
II C Mg1865 26:20  Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
II C Mg1865 26:21  Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon’ i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka.
II C Mg1865 26:22  Ary ny tantaran’ i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza;
II C Mg1865 26:23  Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an’ ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.