II CHRONICLES
Chapter 15
II C | Mg1865 | 15:2 | ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy. | |
II C | Mg1865 | 15:3 | Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’ Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna. | |
II C | Mg1865 | 15:4 | Fa raha niverina tamin’ Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy. | |
II C | Mg1865 | 15:5 | Ary tamin’ izany dia tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin’ ny tany. | |
II C | Mg1865 | 15:6 | Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin’ ny fahoriana rehetra. | |
II C | Mg1865 | 15:7 | Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo. | |
II C | Mg1865 | 15:8 | Ary raha ren’ i Asa izany teny izany sy ny faminanian’ i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ ny tanàna izay azony tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, sady nanavao ny alitaran’ i Jehovah izay teo anoloan’ ny lavarangana fidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah. | |
II C | Mg1865 | 15:9 | Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’ ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin’ ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy. | |
II C | Mg1865 | 15:10 | Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Asa. | |
II C | Mg1865 | 15:11 | Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’ osy fito arivo. | |
II C | Mg1865 | 15:12 | Ary nanao fanekena hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, | |
II C | Mg1865 | 15:13 | ka na iza na iza tsy mety mitady an’ i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy. | |
II C | Mg1865 | 15:14 | Ary nianiana ho an’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ ny trompetra sy ny anjomara izy. | |
II C | Mg1865 | 15:15 | Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin’ ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an’ i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin’ ny manodidina fahizay. | |
II C | Mg1865 | 15:16 | Ary na dia Imaka, renin’ i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona. | |
II C | Mg1865 | 15:17 | Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin’ ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon’ i Asa tamin’ ny androny rehetra. | |
II C | Mg1865 | 15:18 | Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka. | |