Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II CHRONICLES
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 14
II C Mg1865 14:1  Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitra;
II C Mg1865 14:2  fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
II C Mg1865 14:3  Ary nandidy ny Joda hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
II C Mg1865 14:4  Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.
II C Mg1865 14:5  Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
II C Mg1865 14:6  Dia hoy izy tamin’ ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’ i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
II C Mg1865 14:7  Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’ ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.
II C Mg1865 14:8  Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin’ ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
II C Mg1865 14:9  Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’ i Maresa izy.
II C Mg1865 14:10  Ary Asa nitaraina tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
II C Mg1865 14:11  Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan’ i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.
II C Mg1865 14:12  Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan’ i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan’ ny Joda babo betsaka.
II C Mg1865 14:13  Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’ i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’ i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.
II C Mg1865 14:14  Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’ osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.