ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 53
| Isai | Mg1865 | 53:1 | Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah? | |
| Isai | Mg1865 | 53:2 | Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin’ ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. | |
| Isai | Mg1865 | 53:3 | Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. | |
| Isai | Mg1865 | 53:4 | Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina. | |
| Isai | Mg1865 | 53:5 | Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. | |
| Isai | Mg1865 | 53:6 | Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. | |
| Isai | Mg1865 | 53:7 | Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy. | |
| Isai | Mg1865 | 53:8 | Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ ny tanin’ ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ ny oloko no nikapohana Azy? | |
| Isai | Mg1865 | 53:9 | Ary nokasaina hatao tao amin’ ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. | |
| Isai | Mg1865 | 53:10 | Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. | |
| Isai | Mg1865 | 53:11 | Noho ny fisasaran’ ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ ireo. | |