JEREMIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
Chapter 39
Jere | Mg1865 | 39:1 | Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema ka nanao fahirano azy; | |
Jere | Mg1865 | 39:2 | ary nony tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna), | |
Jere | Mg1865 | 39:3 | dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin’ ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona. | |
Jere | Mg1865 | 39:4 | Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin’ ny sahan’ ny mpanjaka, tamin’ ny vavahady eo anelanelan’ ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay izy. | |
Jere | Mg1865 | 39:5 | Fa ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao Ribla tao amin’ ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy. | |
Jere | Mg1865 | 39:6 | Ary ny zanakalahin’ i Zedekia dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin’ ny Joda koa dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona. | |
Jere | Mg1865 | 39:7 | Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatony tamin’ ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona. | |
Jere | Mg1865 | 39:8 | Ary nodoran’ ny Kaldeana tamin’ ny afo ny tranon’ ny mpanjaka sy ny tranon’ ny vahoaka, ary ny mandan’ i Jerosalema noravany. | |
Jere | Mg1865 | 39:9 | Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo tany Babylona. | |
Jere | Mg1865 | 39:10 | Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ ny tanin’ ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’ izany andro izany. | |
Jere | Mg1865 | 39:11 | Ary Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanome teny an’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ny amin’ i Jeremia nanao hoe: | |
Jere | Mg1865 | 39:12 | Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy. | |
Jere | Mg1865 | 39:13 | Ary Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona rehetra | |
Jere | Mg1865 | 39:14 | dia naniraka haka an’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana, ka natolony an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin’ ny olona. | |
Jere | Mg1865 | 39:15 | Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana ihany, nanao hoe: | |
Jere | Mg1865 | 39:16 | Mandehana, ka lazao amin’ i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin’ ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin’ izany andro izany. | |
Jere | Mg1865 | 39:17 | Nefa hovonjeko ianao amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan’ ny olona izay atahoranao. | |