Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MICAH
1 2 3 4 5 6 7
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
Mica Mg1865 2:1  Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
Mica Mg1865 2:2  Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin’ ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin’ ny lovany.
Mica Mg1865 2:3  Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
Mica Mg1865 2:4  Amin’ izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an’ ny mpiodina avy ny tanintsika!
Mica Mg1865 2:5  Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
Mica Mg1865 2:6  Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
Mica Mg1865 2:7  He! izany teny izany! Ry taranak’ i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin’ i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?
Mica Mg1865 2:8  Vao omaly no omaly no nitsanganan’ ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin’ ny lamba ny kapôtin’ izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
Mica Mg1865 2:9  Ny vehivavy eo amin’ ny oloko dia roahinareo hiala amin’ ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin’ ny zanany madinika ny voninahitro.
Mica Mg1865 2:10  Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
Mica Mg1865 2:11  Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny’ aminao ny amin’ ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin ity firenena ity.
Mica Mg1865 2:12  Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin’ ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin’ ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin’ ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan’ ny olona.
Mica Mg1865 2:13  Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin’ ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.