MICAH
Chapter 6
Mica | Mg1865 | 6:1 | Masìna ianareo, mihainoa izay lazain’ i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren’ ny havoana ny feonao. | |
Mica | Mg1865 | 6:2 | Mihainoa ny adin’ i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan’ ny tany; Fa Jehovah manana ady amin’ ny olony, Eny, amin’ ny Isiraely no ifandaharany. | |
Mica | Mg1865 | 6:4 | Fa nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin’ ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama. | |
Mica | Mg1865 | 6:5 | Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’ i Balaka, mpanjakan’ i Moaba, Sy izay navalin’ i Balama, zanak’ i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon’ i Jehovah. | |
Mica | Mg1865 | 6:6 | Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho? | |
Mica | Mg1865 | 6:7 | Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ ny fanahiko? | |
Mica | Mg1865 | 6:8 | Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’ i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena | |
Mica | Mg1865 | 6:9 | Manaitra ny tanàna ny feon’ i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy. | |
Mica | Mg1865 | 6:10 | Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon’ ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona? | |
Mica | Mg1865 | 6:12 | Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany. | |
Mica | Mg1865 | 6:14 | Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin’ ny sabatra. | |
Mica | Mg1865 | 6:15 | Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay; | |