Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MICAH
1 2 3 4 5 6 7
Prev Up Next
Chapter 7
Mica Mg1865 7:1  Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin’ ny fanahiko,
Mica Mg1865 7:2  Lany tsy misy amin’ ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin’ ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin’ ny harato izy rehetra.
Mica Mg1865 7:3  Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan’ ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
Mica Mg1865 7:4  Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron’ ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin’ izany dia vao ho very hevitra ianao.
Mica Mg1865 7:5  Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran’ ny vavanao na dia amin’ izay andefimandrinao aza.
Mica Mg1865 7:6  Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony.
Mica Mg1865 7:7  Fa izaho kosa dia hanandrandra an’ i Jehovah, Eny, hiandry an’ Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
Mica Mg1865 7:8  Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin’ ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
Mica Mg1865 7:9  Ny fahatezeran’ i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin’ ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
Mica Mg1865 7:10  Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
Mica Mg1865 7:11  He ny andro hananganana ny mandanao! Amin’ izany andro izany dia hitarina ny faritra.
Mica Mg1865 7:12  Amin’ izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin’ ny tanànan’ i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin’ ny Ony, Ary hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina, Ary hatramin’ ny tendrombohitra ka hatramin’ ny tendrombohitra.
Mica Mg1865 7:13  Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
Mica Mg1865 7:14  Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an’ ala ao an-tampon’ i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin’ ny andro taloha ela.
Mica Mg1865 7:15  Toy ny tamin’ ny andro nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
Mica Mg1865 7:16  Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
Mica Mg1865 7:17  Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
Mica Mg1865 7:18  Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
Mica Mg1865 7:19  Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin’ ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
Mica Mg1865 7:20  Hanefa fahamarinana ho an’ i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an’ i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin’ ny razanay hatramin’ ny andro taloha ela.