Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MICAH
1 2 3 4 5 6 7
Prev Up Next
Chapter 5
Mica Mg1865 5:1  Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
Mica Mg1865 5:2  Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
Mica Mg1865 5:3  Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ ny herin’ i Jehovah. Sy amin’ ny voninahitry ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin’ ny faran’ ny tany Izy.
Mica Mg1865 5:4  Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin’ ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin’ ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
Mica Mg1865 5:5  Ary handany ny tany Asyria amin’ ny sabatra Sy ny tanin’ i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin’ ny Asyriana, Raha tonga amin’ ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ ny fari-tanintsika ireny.
Mica Mg1865 5:6  Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin’ i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak’ olombelona.
Mica Mg1865 5:7  Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny jentilisa, Ao amin’ ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ ny biby any an’ ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ ny andian’ ny ondry aman’ osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
Mica Mg1865 5:8  Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
Mica Mg1865 5:9  Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
Mica Mg1865 5:10  Hofoanako ny tanàna amin’ ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
Mica Mg1865 5:11  Hofoanako tsy hisy amin’ ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
Mica Mg1865 5:12  Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan’ ny asan’ ny tananao intsony ianao.
Mica Mg1865 5:13  Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.
Mica Mg1865 5:14  Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.