Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
TITUS
1 2 3
Prev Up Next
Chapter 3
Titu Mg1865 3:1  Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ ny asa tsara rehetra,
Titu Mg1865 3:2  tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ ny olona rehetra.
Titu Mg1865 3:3  Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
Titu Mg1865 3:4  Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
Titu Mg1865 3:5  dia tsy avy tamin’ ny asa amin’ ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ ny fanasan’ ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ ny Fanahy Masìna,
Titu Mg1865 3:6  Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
Titu Mg1865 3:7  mba hohamarinina amin’ ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
Titu Mg1865 3:8  Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’ izay efa mino an’ Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
Titu Mg1865 3:9  Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
Titu Mg1865 3:10  Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
Titu Mg1865 3:11  satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
Titu Mg1865 3:12  Rehefa maniraka an’ i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
Titu Mg1865 3:13  Mazotoa hamoaka an’ i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
Titu Mg1865 3:14  Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
Titu Mg1865 3:15  Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin’ ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.