AMOS
Chapter 2
Amos | Mg1865 | 2:1 | Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma; | |
Amos | Mg1865 | 2:2 | Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben’ i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin’ ny tabataba sy amin’ ny akora ary ny fanenon’ ny anjomara; | |
Amos | Mg1865 | 2:3 | Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah. | |
Amos | Mg1865 | 2:4 | Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn’ i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ ny razany; | |
Amos | Mg1865 | 2:6 | Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, | |
Amos | Mg1865 | 2:7 | Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin’ ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masìna; | |
Amos | Mg1865 | 2:8 | Amin’ ny lamba azony tamin’ ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ ny sazy ao an-tranon’ ireo andriamaniny izy. | |
Amos | Mg1865 | 2:9 | Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany. | |
Amos | Mg1865 | 2:10 | Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin’ ny Amorita, | |
Amos | Mg1865 | 2:11 | Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah. | |
Amos | Mg1865 | 2:12 | Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany. | |
Amos | Mg1865 | 2:14 | Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy; | |
Amos | Mg1865 | 2:15 | Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy; | |