AMOS
Chapter 5
Amos | Mg1865 | 5:1 | Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak’ Isiraely; | |
Amos | Mg1865 | 5:2 | Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin’ ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy. | |
Amos | Mg1865 | 5:3 | Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an’ ny taranak’ Isiraely. | |
Amos | Mg1865 | 5:4 | Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny taranak’ Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo; | |
Amos | Mg1865 | 5:5 | Fa aza mitady an’ i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona. | |
Amos | Mg1865 | 5:6 | Mitadiava an’ i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ ny taranak’ i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo, | |
Amos | Mg1865 | 5:7 | Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin’ ny tany. | |
Amos | Mg1865 | 5:8 | Ilay nanao an’ Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin’ ny tany: Jehovah no anarany, | |
Amos | Mg1865 | 5:9 | Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin’ ny tanàna mimanda ny fandravana. | |
Amos | Mg1865 | 5:10 | Halany eo am-bavahady izay mananatra, ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. | |
Amos | Mg1865 | 5:11 | Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy. | |
Amos | Mg1865 | 5:12 | Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. | |
Amos | Mg1865 | 5:14 | Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo. | |
Amos | Mg1865 | 5:15 | Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’ izay sisa amin’ i Josefa. | |
Amos | Mg1865 | 5:16 | Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao. | |
Amos | Mg1865 | 5:17 | Ary any amin’ ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah. | |
Amos | Mg1865 | 5:18 | Lozan’ izay maniry ny andron’ i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron’ i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana, | |
Amos | Mg1865 | 5:19 | Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin-tanana amin’ ny rindrina, dia kekerin’ ny menarana. | |
Amos | Mg1865 | 5:20 | Moa tsy aizina va ny andron’ i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany? | |
Amos | Mg1865 | 5:21 | Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masìna. | |
Amos | Mg1865 | 5:22 | Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak’ omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory. | |
Amos | Mg1865 | 5:23 | Atsaharo ny finaonaonan’ ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon’ ny lokanganareo Aho. | |
Amos | Mg1865 | 5:24 | Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra. | |
Amos | Mg1865 | 5:25 | Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak’ i Isiraely? | |
Amos | Mg1865 | 5:26 | Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin’ ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan’ ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan’ ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo | |