AMOS
Chapter 3
Amos | Mg1865 | 3:1 | Henoy izao teny izao, izay lazain’ i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’ Isiraely, dia ny amin’ io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta io: | |
Amos | Mg1865 | 3:2 | Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra. | |
Amos | Mg1865 | 3:4 | Mierona any an’ ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra? | |
Amos | Mg1865 | 3:5 | Voan’ ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra? | |
Amos | Mg1865 | 3:6 | Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany? | |
Amos | Mg1865 | 3:7 | Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony. | |
Amos | Mg1865 | 3:8 | Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany? | |
Amos | Mg1865 | 3:9 | Ambarao ao an-tranoben’ i Asdoda sy ao an-tranobe any amin’ ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr’ i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny. | |
Amos | Mg1865 | 3:10 | Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny. | |
Amos | Mg1865 | 3:11 | Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao. | |
Amos | Mg1865 | 3:12 | Izao no lazain’ i Jehovah: Toy ny famonjin’ ny mpiandry ondry ny tongotr’ ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan’ ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak’ Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy. | |
Amos | Mg1865 | 3:13 | Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak’ i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro: | |
Amos | Mg1865 | 3:14 | Amin’ ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin’ ny tany. | |