EZEKIEL
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
Chapter 15
Ezek | Mg1865 | 15:2 | Ry zanak’ olona, inona no ihoaran’ ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ ny hazo any an’ ala? | |
Ezek | Mg1865 | 15:3 | Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra? | |
Ezek | Mg1865 | 15:4 | Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon’ ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy? | |
Ezek | Mg1865 | 15:5 | Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon’ ny afo sy may izy? | |
Ezek | Mg1865 | 15:6 | Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin’ ny hazo any an’ ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema. | |
Ezek | Mg1865 | 15:7 | Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin’ ny afo izy nefa ho levon’ ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako. | |