Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EZEKIEL
Prev Up Next
Chapter 47
Ezek Mg1865 47:1  Dia nentiny niverina ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano aho; ary, indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ ny tokonan’ ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano teo atsimon’ ny alitara.
Ezek Mg1865 47:2  Dia nentiny nivoaka tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin’ ny lalana ivelany, hankany amin’ ny vavahady ivelany, dia teo amin’ ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin’ ny ilany ankavanana.
Ezek Mg1865 47:3  Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
Ezek Mg1865 47:4  Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
Ezek Mg1865 47:5  Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
Ezek Mg1865 47:6  Dia hoy izy tamiko: Ry zanak’ olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron’ ny ony izy.
Ezek Mg1865 47:7  Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron’ ny ony, dia teny an-daniny roa.
Ezek Mg1865 47:8  Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin’ ny tany atsinanana, dia midìna any amin’ ny tani-hay ka miditra eo amin’ ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.
Ezek Mg1865 47:9  Ary ny zava-manan’ aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ ny ony.
Ezek Mg1865 47:10  Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin’ ny Ranomasina Lehibe.
Ezek Mg1865 47:11  Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
Ezek Mg1865 47:12  Ary eny amoron’ ny ony, eny an-daniny roa, no anirian’ ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin’ ny fitoerana masìna ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
Ezek Mg1865 47:13  Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo; anjaran-droa no ho an’ i Josefa.
Ezek Mg1865 47:14  Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an’ ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
Ezek Mg1865 47:15  Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny Ranomasina Lehibe amin’ ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin’ i zedada,
Ezek Mg1865 47:16  dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan’ ny faritanin’ i Damaskosy sy ny fari-tanin’ i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin’ i Haorana.
Ezek Mg1865 47:17  Ary ny fari-taniny dia hatramin’ ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy, ary amin’ ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
Ezek Mg1865 47:18  Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’ i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin’ ny Isiraely dia Jordana; hatramin’ ny fari-tany ka hatreo amoron’ ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
Ezek Mg1865 47:19  Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
Ezek Mg1865 47:20  Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin’ ny faritany ka hatrany akaikin’ i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
Ezek Mg1865 47:21  Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen’ Isiraely.
Ezek Mg1865 47:22  Ary amin’ ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak’ Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin’ ny firenen’ Isiraely izy.
Ezek Mg1865 47:23  Ary amin’ izay firenena hitoeran’ ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.