Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EZEKIEL
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 33
Ezek Mg1865 33:1  Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezek Mg1865 33:2  Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
Ezek Mg1865 33:3  ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
Ezek Mg1865 33:4  nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon’ ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
Ezek Mg1865 33:5  Nandre ny feon’ ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.
Ezek Mg1865 33:6  Fa raha hitan’ ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tànan’ ilay mpitily.
Ezek Mg1865 33:7  Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
Ezek Mg1865 33:8  Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tananao.
Ezek Mg1865 33:9  Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
Ezek Mg1865 33:10  Ary ianao, ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin’ izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
Ezek Mg1865 33:11  Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
Ezek Mg1865 33:12  Ary ianao, ry zanak’ olona’ lazao amin’ ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ ny andro ialany amin’ ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ ny andro anotany.
Ezek Mg1865 33:13  Raha lazaiko amin’ ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
Ezek Mg1865 33:14  Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.
Ezek Mg1865 33:15  ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
Ezek Mg1865 33:16  Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
Ezek Mg1865 33:17  Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo; nefa ny fitondran’ ny tenany no tsy marina.
Ezek Mg1865 33:18  Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin’ izany izy.
Ezek Mg1865 33:19  Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’ izany izy.
Ezek Mg1865 33:20  Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. He! ry taranak’ Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.
Ezek Mg1865 33:21  Ary nony tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo taorian’ ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
Ezek Mg1865 33:22  Dia efa tonga tamiko ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny omaly harivan’ ny andro nahatongavan’ ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan’ ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
Ezek Mg1865 33:23  Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezek Mg1865 33:24  Ry zanak’ olona, ny monina amin’ ireny rava amin’ ny tanin’ ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
Ezek Mg1865 33:25  Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
Ezek Mg1865 33:26  Mitoky amin’ ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin’ ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
Ezek Mg1865 33:27  Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ ny sabatra izay ao amin’ ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ ny bibi-dia, ary izay ao amin’ ny harambato sy amin’ ny lava-tany dia ho fatin’ ny areti-mandringana.
Ezek Mg1865 33:28  Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
Ezek Mg1865 33:29  Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
Ezek Mg1865 33:30  Ary ianao, ry zanak’ olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ ny tranony, ka samy manao amin’ ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’ i Jehovah.
Ezek Mg1865 33:31  Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
Ezek Mg1865 33:32  Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.
Ezek Mg1865 33:33  Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.