EZEKIEL
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
Chapter 35
Ezek | Mg1865 | 35:2 | Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy, | |
Ezek | Mg1865 | 35:3 | dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao. | |
Ezek | Mg1865 | 35:4 | Ny tanànanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. | |
Ezek | Mg1865 | 35:5 | Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak’ Isiraely ho fatin’ ny sabatra, fony tamin’ ny andro nahitany loza, dia ny fotoan’ ny heloka mahafaty, | |
Ezek | Mg1865 | 35:6 | Dia izao no lazain’ i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao. | |
Ezek | Mg1865 | 35:7 | Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina, | |
Ezek | Mg1865 | 35:8 | Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin’ ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron’ ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan’ izay voatrabaky ny sabatra. | |
Ezek | Mg1865 | 35:9 | Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. | |
Ezek | Mg1865 | 35:10 | Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah | |
Ezek | Mg1865 | 35:11 | Dia izao no lazain’ i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin’ ny hitsarako anao. | |
Ezek | Mg1865 | 35:12 | Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin’ ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay. | |
Ezek | Mg1865 | 35:13 | Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany. | |
Ezek | Mg1865 | 35:14 | Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao, | |