Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EZEKIEL
Prev Up Next
Chapter 24
Ezek Mg1865 24:1  Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezek Mg1865 24:2  Ry zanak’ olona, soratinao ny anaran’ ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan’ i Babylona miantomboka mamely an’ i Jerosalema amin’ izao andro anio izao.
Ezek Mg1865 24:3  Ary milazà fanoharana amin’ ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
Ezek Mg1865 24:4  ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.
Ezek Mg1865 24:5  Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.
Ezek Mg1865 24:6  Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.
Ezek Mg1865 24:7  Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin’ ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin’ ny tany hosaronan’ ny vovoka izy.
Ezek Mg1865 24:8  Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin’ ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.
Ezek Mg1865 24:9  Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.
Ezek Mg1865 24:10  Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy, ary aoka ho may ny taolana.
Ezek Mg1865 24:11  Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin’ ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
Ezek Mg1865 24:12  Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin’ ny afo ny harafesiny.
Ezek Mg1865 24:13  Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin’ ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
Ezek Mg1865 24:14  Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.
Ezek Mg1865 24:15  Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezek Mg1865 24:16  Ry zanak’ olona, indro, efa hesoriko amin’ ny loza indray mamely monja ilay tian’ ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
Ezek Mg1865 24:17  Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin’ olona.
Ezek Mg1865 24:18  Ary nony maraina dia niteny tamin’ ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.
Ezek Mg1865 24:19  Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin’ izao ataonao izao?
Ezek Mg1865 24:20  Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezek Mg1865 24:21  Lazao amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masìna, izay reharehan’ ny herinareo, dia ilay tian’ ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
Ezek Mg1865 24:22  Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin’ olona;
Ezek Mg1865 24:23  ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
Ezek Mg1865 24:24  Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Ezek Mg1865 24:25  Ary ianao, ry zanak’ olona, amin’ ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian’ ny voninahiny, ilay tian’ ny masony sy ilay tian’ ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,
Ezek Mg1865 24:26  eny, amin’ izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;
Ezek Mg1865 24:27  amin’ izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ ny an’ ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.