Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EZEKIEL
Prev Up Next
Chapter 5
Ezek Mg1865 5:1  Ary ianao, ry zanak’ olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan’ ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
Ezek Mg1865 5:2  Ny ampahatelony dia dory amin’ ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron’ ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin’ ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
Ezek Mg1865 5:3  Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin’ ny sisin-dambanao.
Ezek Mg1865 5:4  Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin’ ny taranak’ Isiraely rehetra.
Ezek Mg1865 5:5  Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan’ ny jentilisa, ka voahodidin’ ireny tany ireny izy.
Ezek Mg1865 5:6  Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
Ezek Mg1865 5:7  Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
Ezek Mg1865 5:8  dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason’ ny firenena.
Ezek Mg1865 5:9  Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
Ezek Mg1865 5:10  Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra;
Ezek Mg1865 5:11  eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masìna tamin’ ny zava-dratsinao rehetra sy tamin’ ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
Ezek Mg1865 5:12  Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
Ezek Mg1865 5:13  Ary ho tanteraka amin’ izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin’ ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
Ezek Mg1865 5:14  Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin’ ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason’ izay rehetra mandalo.
Ezek Mg1865 5:15  Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin’ ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin’ ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin’ ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
Ezek Mg1865 5:16  raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan’ aina.
Ezek Mg1865 5:17  Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany