Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EZEKIEL
Prev Up Next
Chapter 11
Ezek Mg1865 11:1  Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ ny vavahady atsinanana amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan’ ny vavahady; dia hitako teo amin’ ireo Jazania, zanak’ i Azora, sy Pelatia, zanak’ i Benaia, lehiben’ ny vahoaka.
Ezek Mg1865 11:2  Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin’ ity tanàna ity,
Ezek Mg1865 11:3  dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena;
Ezek Mg1865 11:4  ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak’ olona.
Ezek Mg1865 11:5  Ary tonga tao amiko ny Fanahin’ i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak’ Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
Ezek Mg1865 11:6  Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin’ ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.
Ezek Mg1865 11:7  Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
Ezek Mg1865 11:8  Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.
Ezek Mg1865 11:9  Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan’ ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.
Ezek Mg1865 11:10  Ho lavon’ ny sabatra ianareo; any amin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Ezek Mg1865 11:11  Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely no hitsarako anareo
Ezek Mg1865 11:12  ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
Ezek Mg1865 11:13  Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak’ i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin’ ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin’ ny Isiraely?
Ezek Mg1865 11:14  Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezek Mg1865 11:15  Ry zanak’ olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, izay nitenenan’ ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an’ i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.
Ezek Mg1865 11:16  Koa lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin’ ny tany maro, dia ho fitoerana masìna ho azy vetivety Aho any amin’ ny tany izay alehany.
Ezek Mg1865 11:17  Koa lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin’ ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin’ ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin’ ny Isiraely ianareo.
Ezek Mg1865 11:18  Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
Ezek Mg1865 11:19  Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
Ezek Mg1865 11:20  mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
Ezek Mg1865 11:21  Fa ny amin’ izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.
Ezek Mg1865 11:22  Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
Ezek Mg1865 11:23  Ary ny voninahitr’ i Jehovah niakatra niala tao amin’ ny tanàna ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra atsinanan’ ny tanàna.
Ezek Mg1865 11:24  Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin’ ny fahitana, dia tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin’ ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
Ezek Mg1865 11:25  Ary nolazaiko tamin’ ny babo ny teny rehetra izay nasehon’ i Jehovah ahy.