Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
HABAKKUK
1 2 3
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 1
Haba Mg1865 1:1  Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan’ i Habakoka mpaminany.
Haba Mg1865 1:2  Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
Haba Mg1865 1:3  Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
Haba Mg1865 1:4  Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan’ ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan’ ny fitsarana miangatra.
Haba Mg1865 1:5  Jereo any amin’ ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin’ ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
Haba Mg1865 1:6  Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran’ ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.
Haba Mg1865 1:7  Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin’ ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
Haba Mg1865 1:8  Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.
Haba Mg1865 1:9  Hampidi-doza no ihavian’ izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.
Haba Mg1865 1:10  Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.
Haba Mg1865 1:11  Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
Haba Mg1865 1:12  Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
Haba Mg1865 1:13  Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangìna, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
Haba Mg1865 1:14  Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
Haba Mg1865 1:15  Aingainy amin’ ny fintana izy rehetra, Samboriny amin’ ny haratony Ary sarihany amin’ ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.
Haba Mg1865 1:16  Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
Haba Mg1865 1:17  Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin’ ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?