Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CHRONICLES
Prev Up Next
Chapter 10
I Ch Mg1865 10:1  Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
I Ch Mg1865 10:2  Ary ny Filistina nanenjika fatratra an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin’ i Saoly.
I Ch Mg1865 10:3  Ary mafy ny ady tamin’ i Saoly, dia nifanehatra tamin’ ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
I Ch Mg1865 10:4  Ka hoy Saoly tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain’ i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
I Ch Mg1865 10:5  Ary rehefa hitan’ ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin’ ny sabany koa izy ka maty.
I Ch Mg1865 10:6  Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
I Ch Mg1865 10:7  Ary nony hitan’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely teny amin’ ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin’ ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
I Ch Mg1865 10:8  Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ ny faty ny Filistina, dia nahita an’ i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
I Ch Mg1865 10:9  Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin’ ny sampiny sy ny olona.
I Ch Mg1865 10:10  Dia napetrany tao an-tranon’ ny andriamaniny ny fiadian’ i Saoly, ary nohomboany teo amin’ ny tempolin’ i Dagona ny lohany.
I Ch Mg1865 10:11  Ary nony ren’ ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon’ ny Filistina tamin’ i Saoly,
I Ch Mg1865 10:12  dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin’ ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.
I Ch Mg1865 10:13  Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin’ i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’ i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’ izay nanao azy ho tsindrian-javatra
I Ch Mg1865 10:14  ary noho ny tsy nanontaniany tamin’ i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an’ i Davida, zanak’ i Jese, ny fanjakana.