I CHRONICLES
Chapter 26
I Ch | Mg1865 | 26:1 | Ary ny amin’ ny antokon’ ny mpiandry varavarana: Tamin’ ny Koraïta dia Meselemia, zanak’ i Kore, avy tamin’ ny zanak’ i Asafa. | |
I Ch | Mg1865 | 26:2 | Ary ny zanakalahin’ i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra, | |
I Ch | Mg1865 | 26:4 | Ary ny zanakalahin’ i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy, | |
I Ch | Mg1865 | 26:5 | sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy. | |
I Ch | Mg1865 | 26:6 | Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin’ ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy. | |
I Ch | Mg1865 | 26:7 | Ny zanakalahin’ i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin’ ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia. | |
I Ch | Mg1865 | 26:8 | Ireo rehetra ireo no avy tamin’ ny zanak’ i Obed-edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny fanompoany; roa amby enim-polo no an’ i Obed-edoma. | |
I Ch | Mg1865 | 26:9 | Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin’ ny folo, samy lehilahy mahay avokoa. | |
I Ch | Mg1865 | 26:10 | Ary Hosa, tamin’ ny taranak’ i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany), | |
I Ch | Mg1865 | 26:11 | sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin’ i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin’ ny folo. | |
I Ch | Mg1865 | 26:12 | Ireo lohan’ ny tonian’ ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin’ ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ i Jehovah. | |
I Ch | Mg1865 | 26:13 | Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin’ ny isam-bavahady. | |
I Ch | Mg1865 | 26:14 | Koa ny loka tamin’ ny atsinanana dia azon’ i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin’ ny avaratra no azony. | |
I Ch | Mg1865 | 26:16 | An’ i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin’ ny vavahady Saleketa amin’ ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana. | |
I Ch | Mg1865 | 26:17 | Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan’ andro, ny atsimo nisy efatra isan’ andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy. | |
I Ch | Mg1865 | 26:19 | Dia Ireo no antokon’ ny mpiandry varavarana tamin’ ny taranak’ i Kora sy ny taranak’ i Merary. | |
I Ch | Mg1865 | 26:20 | Ary tamin’ ny Levita dia Ahia no tonian’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra. | |
I Ch | Mg1865 | 26:21 | Ny taranak’ i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan’ ny fianakavian’ i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita. | |
I Ch | Mg1865 | 26:22 | Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah. | |
I Ch | Mg1865 | 26:24 | dia Seboela, avy tamin’ ny taranak’ i Gersona, zanak’ i Mosesy, no tonian’ ny rakitra. | |
I Ch | Mg1865 | 26:25 | Ary ny rahalahiny avy tamin’ i Eliezera dia Rehabia, zanak’ i Eliezera, sy Jesaia, zanak’ i Rehabia, sy Jorama, zanak’ i Jesaia, sy Zikry, zanak’ i Jorama, ary Selomota, zanak’ i Zikry. | |
I Ch | Mg1865 | 26:26 | Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin’ i Davida mpanjaka sy ny lohan’ ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ ny miaramila. | |
I Ch | Mg1865 | 26:27 | Tamin’ ny babo izay azony tamin’ ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon’ i Jehovah. | |
I Ch | Mg1865 | 26:28 | Ary izay rehetra nohamasinin’ i Samoela mpahita sy Saoly, zanak’ i Kisy, sy Abnera, zanak’ i Nera, sy Joaba, zanak’ i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. | |
I Ch | Mg1865 | 26:29 | Tamin’ ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin’ ny raharaha ivelany amin’ ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara. | |
I Ch | Mg1865 | 26:30 | Ary tamin’ ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin’ ny Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana ny amin’ ny raharaha rehetra ho an’ i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka. | |
I Ch | Mg1865 | 26:31 | Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin’ ny taona fahefa-polo nanjakan’ i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada) | |