Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CHRONICLES
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 27
I Ch Mg1865 27:1  Ary ny amin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny isany, dia ny lohan’ ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’ izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan’ ny isan-tokony.
I Ch Mg1865 27:2  Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin’ ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak’ i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina;
I Ch Mg1865 27:3  isan’ ny taranak’ i Fareza izy sady lohan’ ny mpifehy rehetra tamin’ ny miaramila amin’ ny volana voalohany.
I Ch Mg1865 27:4  Ary ny nifehy ny antokony ho amin’ ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan’ ny antokony; ary ny antokon’ ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:5  Ny komandin’ ny antokony fahatelo tamin’ ny miaramila, ho amin’ ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak’ i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:6  Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin’ izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan’ ny antokony.
I Ch Mg1865 27:7  Ny fahefatra, ho amin’ ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:8  Ny fahadimy, ho amin’ ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:9  Ny fahenina, ho amin’ ny volana fahenina, dia Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:10  Ny fahafito, ho amin’ ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan’ ny taranak’ i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:11  Ny fahavalo, ho amin’ ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan’ ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:12  Ny fahasivy, ho amin’ ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan’ ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:13  Ny fahafolo, ho amin’ ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan’ ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:14  Ny fahiraika ambin’ ny folo, ho amin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo, dia Benaia Piratonita, isan’ ny taranak’ i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:15  Ny faharoa ambin’ ny folo, ho amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo, dia Helday Netofatita, isan’ ny taranak’ i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
I Ch Mg1865 27:16  Ary izao no lohan ny firenen’ Isiraely: Tamin’ ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin’ i Zikry; tamin’ ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin’ i Maka;
I Ch Mg1865 27:17  tamin’ ny Levita dia Hasabia, zanakalahin’ i Kemoela; tamin’ ny Aronita dia Zadoka;
I Ch Mg1865 27:18  tamin’ ny Joda dia Eliho, izay isan’ ny rahalahin’ i Davida; tamin’ ny Isakara dia Omry, zanakalahin’ i Mikaela;
I Ch Mg1865 27:19  tamin’ ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin’ i Obadia; tamin’ ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin’ i Azriela;
I Ch Mg1865 27:20  tamin’ ny taranak’ i Efraima dia Hosea, zanakalahin’ i Azazia; tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Joela, zanakalahin’ i Pedaia;
I Ch Mg1865 27:21  tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin’ i Zakaria; tamin’ ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin’ i Abnera;
I Ch Mg1865 27:22  tamin’ ny Dana dia Azarela, zanakalahin’ i Jerohama. Ireo no lohan’ ny firenen’ Isiraely.
I Ch Mg1865 27:23  Nefa tsy nanisa ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho midìna Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra Izy.
I Ch Mg1865 27:24  Joaba, zanak’ i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Isiraely tamin’ izany, ka dia tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Davida mpanjaka ny isany.
I Ch Mg1865 27:25  Ary ny tonian’ ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak’ i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin’ ny tanàna, na tamin’ ny vohitra, na tamin’ ny tilikambo, dia Jonatana, zanak’ i Ozia;
I Ch Mg1865 27:26  ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak’ i Keloba;
I Ch Mg1865 27:27  ary ny tonian’ ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian’ ny divay tehirizina any amin’ ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
I Ch Mg1865 27:28  ary ny tonian’ ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian’ ny diloilo tehirizina dia Joasy;
I Ch Mg1865 27:29  ary ny tonian’ ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian’ ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak’ i Adlay;
I Ch Mg1865 27:30  ary ny tonian’ ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian’ ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
I Ch Mg1865 27:31  ary ny tonian’ ny ondry aman’ osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian’ ny fananan’ i Davida mpanjaka.
I Ch Mg1865 27:32  Ary Jonatana, rahalahin-drain’ i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak’ i Hakmony, dia teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka;
I Ch Mg1865 27:33  ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan’ ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an’ i Ahitofela dia Joiada, zanak’ i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjaka dia Joaba.