Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CHRONICLES
Prev Up Next
Chapter 17
I Ch Mg1865 17:1  Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin’ i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ ny neken’ i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
I Ch Mg1865 17:2  Ary hoy Natana tamin’ i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
I Ch Mg1865 17:3  Nefa tamin’ ny alin’ iny ihany dia tonga tamin’ i Natana ny tenin’ Andriamanitra nanao hoe:
I Ch Mg1865 17:4  Andeha, lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
I Ch Mg1865 17:5  fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
I Ch Mg1865 17:6  Ary tamin’ izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
I Ch Mg1865 17:7  Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
I Ch Mg1865 17:8  Ary nomba anao tamin’ izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
I Ch Mg1865 17:9  Ary hifidy tany ho an’ ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
I Ch Mg1865 17:10  sy tahaka ny hatramin’ ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.
I Ch Mg1865 17:11  Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan’ ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
I Ch Mg1865 17:12  dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
I Ch Mg1865 17:13  Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin’ ilay nodiasanao;
I Ch Mg1865 17:14  fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
I Ch Mg1865 17:15  Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain’ i Natana tamin’ i Davida.
I Ch Mg1865 17:16  Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
I Ch Mg1865 17:17  Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
I Ch Mg1865 17:18  Inona intsony no holazain’ i Davida aminao ny amin’ ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
I Ch Mg1865 17:19  Jehovah ô, noho ny amin’ ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
I Ch Mg1865 17:20  Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren’ ny sofinay.
I Ch Mg1865 17:21  Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
I Ch Mg1865 17:22  Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
I Ch Mg1865 17:23  Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin’ ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
I Ch Mg1865 17:24  Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.
I Ch Mg1865 17:25  Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.
I Ch Mg1865 17:26  Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,
I Ch Mg1865 17:27  dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.