I CHRONICLES
Chapter 25
I Ch | Mg1865 | 25:1 | Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy: | |
I Ch | Mg1865 | 25:2 | Tamin’ ny zanakalahin’ i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’ i Asafa, nofehezin’ i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ ny mpanjaka azy. | |
I Ch | Mg1865 | 25:3 | Tamin’ i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin’ i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ ny lokanga hidera sy hisaotra an’ i Jehovah. | |
I Ch | Mg1865 | 25:4 | Tamin’ i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota. | |
I Ch | Mg1865 | 25:5 | Ireo rehetra ireo no zanak’ i Hemana, mpahitan’ ny mpanjaka ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’ Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ ny folo sy zazavavy telo. | |
I Ch | Mg1865 | 25:6 | Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka. | |
I Ch | Mg1865 | 25:7 | Ary ny isany mbamin’ ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’ i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato. | |
I Ch | Mg1865 | 25:8 | Ary nanao filokana ny amin’ ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. | |
I Ch | Mg1865 | 25:9 | Ary ny loka voalohany dia azon’ i Josefa avy amin’ ny taranak’ i Asafa; ny faharoa an’ i Gedalia, izy mbamin’ ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:10 | ny fahatelo an’ i Zakora, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:11 | ny fahefatra an’ i Jizry, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:12 | ny fahadimy an’ i Netania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:13 | ny fahenina an’ i Bokia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:14 | ny fahafito an’ i Jesarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:15 | ny fahavalo an’ i Jesaia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:16 | ny fahasivy an’ i Matania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:17 | ny fahafolo an’ i Simey, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:18 | ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Azarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:19 | ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Hasabia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:20 | ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Sobaela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:21 | ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Matitia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:22 | ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Jeremota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:23 | ny fahenina ambin’ ny folo an’ i Hanania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:24 | ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Josbekasa, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:25 | ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hanany, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:26 | ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Maloty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:27 | ny faharoa-polo an’ i Eliata, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:28 | ny fahiraika amby roa-polo an’ i Hotira, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:29 | ny faharoa amby roa-polo an’ i Gidalty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |
I Ch | Mg1865 | 25:30 | ny fahatelo amby roa-polo an’ i Mahaziota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo; | |