Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I TIMOTHY
1 2 3 4 5 6
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
I Ti Mg1865 2:1  Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra,
I Ti Mg1865 2:2  ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
I Ti Mg1865 2:3  Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
I Ti Mg1865 2:4  Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalalana ny marina.
I Ti Mg1865 2:5  Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
I Ti Mg1865 2:6  sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’ izao androny izao.
I Ti Mg1865 2:7  Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ ny finoana sy ny fahamarinana.
I Ti Mg1865 2:8  Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masìna, tsy amin’ ny fahatezerana na amin’ ny fifandirana.
I Ti Mg1865 2:9  Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,
I Ti Mg1865 2:10  fa amin’ ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’ Andriamanitra.
I Ti Mg1865 2:11  Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
I Ti Mg1865 2:12  Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
I Ti Mg1865 2:14  Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
I Ti Mg1865 2:15  Nefa hovonjena ihany izy amin’ ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ ny fahononan-tena.