Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I TIMOTHY
1 2 3 4 5 6
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 5
I Ti Mg1865 5:1  Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
I Ti Mg1865 5:2  ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ ny fahadiovana rehetra.
I Ti Mg1865 5:3  Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
I Ti Mg1865 5:4  Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’ Andriamanitra.
I Ti Mg1865 5:5  Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an’ Andriamanitra ka maharitra amin’ ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman’ alina
I Ti Mg1865 5:6  Fa izay vehivavy manaram-po amin’ ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
I Ti Mg1865 5:7  Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
I Ti Mg1865 5:8  Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
I Ti Mg1865 5:9  Aza soratana ho isan’ ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
I Ti Mg1865 5:10  ary tsara laza amin’ ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masìna, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
I Ti Mg1865 5:11  Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’ i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
I Ti Mg1865 5:12  ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
I Ti Mg1865 5:13  Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’ olona ka manao teny tsy mety.
I Ti Mg1865 5:14  Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
I Ti Mg1865 5:15  Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an’ i Satana.
I Ti Mg1865 5:16  Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa.
I Ti Mg1865 5:17  Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin’ ny teny sy ny fampianarana.
I Ti Mg1865 5:18  Fa hoy ny Soratra Masìna: “Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary ianao” Ary koa: “Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany”.
I Ti Mg1865 5:19  Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
I Ti Mg1865 5:20  Izay manota dia anaro eo anatrehan’ ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
I Ti Mg1865 5:21  Mananatra anao mafy aho eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin’ ny fiangarana.
I Ti Mg1865 5:22  Aza malaky mametra-tanana amin’ olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
I Ti Mg1865 5:23  Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
I Ti Mg1865 5:24  Ny fahotan’ ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin’ ny fitsarana, fa ny an’ ny sasany kosa manaraka ato aoriana.
I Ti Mg1865 5:25  Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.