II KINGS
Chapter 24
II K | Mg1865 | 24:1 | Tamin’ ny andro nanjakan’ i Joiakima no niakaran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy. | |
II K | Mg1865 | 24:2 | Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana sy ny miaramilan’ i Moaba ary ny miaramilan’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony. | |
II K | Mg1865 | 24:3 | Dia araka ny tenin’ i Jehovah ihany no nahatongavan’ izany tamin’ ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’ i Manase tahaka izay rehetra nataony | |
II K | Mg1865 | 24:4 | sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’ i Jehovah hamela ny helony. | |
II K | Mg1865 | 24:5 | Ary ny tantaran’ i Joiakima sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? | |
II K | Mg1865 | 24:6 | Ary Joiakima lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy. | |
II K | Mg1865 | 24:7 | Ary ny mpanjakan’ i Egypta tsy nivoaka avy tany amin’ ny taniny intsony; fa lasan’ ny mpanjakan’ i Babylona izay rehetra an’ ny mpanjakan’ i Egypta hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta ka hatramin’ ny ony Eofrata. | |
II K | Mg1865 | 24:8 | Valo ambin’ ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin’ i Elnatana, avy any Jerosalema. | |
II K | Mg1865 | 24:10 | Tamin’ izany andro izany no niakaran’ ny mpanompon’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, hamely an’ i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna. | |
II K | Mg1865 | 24:11 | Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan’ i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony. | |
II K | Mg1865 | 24:12 | Ary Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, nivoaka nankany amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny tandapany; ary nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy tamin’ ny taona fahavalo nanjakany. | |
II K | Mg1865 | 24:13 | Ary navoakan’ i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, araka izay nolazain’ i Jehovah. | |
II K | Mg1865 | 24:14 | Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina. | |
II K | Mg1865 | 24:15 | Ary nitondra an’ i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin’ ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona. | |
II K | Mg1865 | 24:16 | Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho babo tany Babylona avokoa. | |
II K | Mg1865 | 24:17 | Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanjaka hisolo an’ i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany. | |
II K | Mg1865 | 24:18 | Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna. | |
II K | Mg1865 | 24:19 | Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Joiakima. | |