Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II KINGS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 20
II K Mg1865 20:1  Ary tamin’ izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
II K Mg1865 20:2  Dia nitodika nankany amin’ ny rindrina izy ka nivavaka tamin’ i Jehovah hoe:
II K Mg1865 20:3  Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
II K Mg1865 20:4  Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
II K Mg1865 20:5  Miverena, ka lazao amin’ i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ianao.
II K Mg1865 20:6  Ary hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
II K Mg1865 20:7  Ary hoy Isaia: Makà ampempan’ aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin’ ny vay, dia sitrana izy.
II K Mg1865 20:8  Ary hoy Hezekia tamin’ i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin’ i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon’ i Jehovah raha afaka ampitso?
II K Mg1865 20:9  Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo?
II K Mg1865 20:10  Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan’ ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.
II K Mg1865 20:11  Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin’ i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin’ ny dialin’ i Ahaza.
II K Mg1865 20:12  Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Berodaka baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
II K Mg1865 20:13  Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.
II K Mg1865 20:14  Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
II K Mg1865 20:15  Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin’ ny firaketako rehetra.
II K Mg1865 20:16  Ary hoy Isaia tamin’ i Hezekia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah:
II K Mg1865 20:17  Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
II K Mg1865 20:18  Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.
II K Mg1865 20:19  Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin’ ny androko ka handry fahizay?
II K Mg1865 20:20  Ary ny tantaran’ i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin’ ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
II K Mg1865 20:21  Ary Hezekia lasa nodimandry any amin’ ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy