II KINGS
Chapter 15
II K | Mg1865 | 15:1 | Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Azaria, zanak’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda. | |
II K | Mg1865 | 15:2 | Enina ambin’ ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. | |
II K | Mg1865 | 15:3 | Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy; | |
II K | Mg1865 | 15:4 | kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona. | |
II K | Mg1865 | 15:5 | Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin’ ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka. | |
II K | Mg1865 | 15:6 | Ary ny tantaran’ i Azaria sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? | |
II K | Mg1865 | 15:7 | Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy. | |
II K | Mg1865 | 15:8 | Tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zakaria, zanak’ i Jeroboama, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy. | |
II K | Mg1865 | 15:9 | Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny razany izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely. | |
II K | Mg1865 | 15:10 | Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan’ ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. | |
II K | Mg1865 | 15:11 | Ary ny tantaran’ i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. | |
II K | Mg1865 | 15:12 | Izany no ilay tenin’ i Jehovah nolazainy tamin’ i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany. | |
II K | Mg1865 | 15:13 | Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, dia vao nanjaka tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy. | |
II K | Mg1865 | 15:14 | Fa Menahema, zanak’ i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an’ i Saloma, zanak’ i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. | |
II K | Mg1865 | 15:15 | Ary ny tantaran’ i Saloma sisa mbamin’ ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. | |
II K | Mg1865 | 15:16 | Tamin’ izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an’ i Tifsa mbamin’ izay rehetra tao hatramin’ ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany. | |
II K | Mg1865 | 15:17 | Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Menahema, zanak’ i Gady, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy. | |
II K | Mg1865 | 15:18 | Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tamin’ ny androny rehetra dia tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. | |
II K | Mg1865 | 15:19 | Ary Pola, mpanjakan’ i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an’ i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan’ i Menahema. | |
II K | Mg1865 | 15:20 | Ary nampandoavin’ i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan’ i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan’ i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin’ ny tany. | |
II K | Mg1865 | 15:21 | Ary ny tantaran’ i Menahema sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany? | |
II K | Mg1865 | 15:22 | Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy. | |
II K | Mg1865 | 15:23 | Tamin’ ny taona fahadimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Pekahia, zanak’ i Menahema, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy. | |
II K | Mg1865 | 15:24 | Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. | |
II K | Mg1865 | 15:25 | Ary Peka, zanak’ i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an’ i Pekahia mbamin’ i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin’ ny trano-avo amin’ ny lapa, ary teo amin’ Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin’ ny taranak’ i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy. | |
II K | Mg1865 | 15:26 | Ary ny tantaran’ i Pekahia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. | |
II K | Mg1865 | 15:27 | Tamin’ ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy. | |
II K | Mg1865 | 15:28 | Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. | |
II K | Mg1865 | 15:29 | Tamin’ ny andron’ i Peka, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, ka nahafaka an’ Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy. | |
II K | Mg1865 | 15:30 | Ary Hosea, zanak’ i Elaha, nikomy tamin’ i Peta, Zanak’ i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia. | |
II K | Mg1865 | 15:31 | Ary ny tantaran’ i Peka sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. | |
II K | Mg1865 | 15:32 | Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda. | |
II K | Mg1865 | 15:33 | Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka. | |
II K | Mg1865 | 15:34 | Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon’ i Ozia rainy no nataony. | |
II K | Mg1865 | 15:35 | Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah. | |
II K | Mg1865 | 15:36 | Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? | |
II K | Mg1865 | 15:37 | Tamin’ izany andro Izany no vao nampandehanan’ i Jehovah an’ i Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, hanafika an’ i Joda. | |