Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II KINGS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 19
II K Mg1865 19:1  Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,
II K Mg1865 19:2  Ary izy naniraka an’ i Eliatima, lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan’ ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza.
II K Mg1865 19:3  Ary hoy ireo taminy: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
II K Mg1865 19:4  Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny vavakao hamonjy izay mbola sisa.
II K Mg1865 19:5  Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
II K Mg1865 19:6  Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
II K Mg1865 19:7  Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin’ ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
II K Mg1865 19:8  Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ ny mpanjakan’ i Asyria fahirano tamin’ izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
II K Mg1865 19:9  Ary nony ren’ i Sankeriba ny amin’ i Tiraka, mpanjakan’ i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin’ i Hezekia izy nanao hoe:
II K Mg1865 19:10  Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.
II K Mg1865 19:11  Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
II K Mg1865 19:12  Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak’ i Edena, izay tao Telasara?
II K Mg1865 19:13  Aiza ny mpanjakan’ i Hamata sy ny mpanjakan’ i Arpada ary ny mpanjakan’ ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
II K Mg1865 19:14  Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
II K Mg1865 19:15  Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
II K Mg1865 19:16  Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin’ i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’ Andriamanitra velona.
II K Mg1865 19:17  Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
II K Mg1865 19:18  ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.
II K Mg1865 19:19  Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ ny tànany, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
II K Mg1865 19:20  Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, dia efa nohenoiko.
II K Mg1865 19:21  Koa izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
II K Mg1865 19:22  Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
II K Mg1865 19:23  Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka.
II K Mg1865 19:24  Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin’ ny lahin-drano rehetra any Egypta.
II K Mg1865 19:25  Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.
II K Mg1865 19:26  Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
II K Mg1865 19:27  Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
II K Mg1865 19:28  Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin’ ny lalana izay nihavianao ianao.
II K Mg1865 19:29  Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
II K Mg1865 19:30  Ary izay sisa amin’ ny taranak’ i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
II K Mg1865 19:31  Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hanao izany.
II K Mg1865 19:32  Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.
II K Mg1865 19:33  Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
II K Mg1865 19:34  Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
II K Mg1865 19:35  Ary tamin’ ny alin’ io dia avy ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
II K Mg1865 19:36  Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
II K Mg1865 19:37  Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nasian’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra nankany amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy. Ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.