ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 35
Isai | Mg1865 | 35:1 | Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. | |
Isai | Mg1865 | 35:2 | Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’ i Jehovah izy sy ny famirapiratan’ Andriamanitsika. | |
Isai | Mg1865 | 35:4 | Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. | |
Isai | Mg1865 | 35:6 | Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ ny tany karankaina. | |
Isai | Mg1865 | 35:7 | Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro. | |
Isai | Mg1865 | 35:8 | Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. | |
Isai | Mg1865 | 35:9 | Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy. | |