Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOSHUA
Prev Up Next
Chapter 5
Josh Mg1865 5:1  Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita any an-dafy andrefan’ i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ ny Kananita any amoron’ ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’ i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’ Isiraely.
Josh Mg1865 5:2  Tamin’ izany andro izany no nilazan’ i Jehovah tamin’ i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak’ Isiraely.
Josh Mg1865 5:3  Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak’ Isiraely teo an-kavoana Haralota.
Josh Mg1865 5:4  Ary izao no anton’ ny namoran’ i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta.
Josh Mg1865 5:5  Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
Josh Mg1865 5:6  Fa efa-polo taona no nandehanan’ ny Zanak’ Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran’ ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah izy; dia ireo no nianianan’ i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Josh Mg1865 5:7  Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan’ i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
Josh Mg1865 5:8  Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin’ ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
Josh Mg1865 5:9  Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan’ i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany.
Josh Mg1865 5:10  Ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana, teo amin’ ny tani-hay any Jeriko.
Josh Mg1865 5:11  Ary nony ampitson’ ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin’ izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
Josh Mg1865 5:12  Ary nitsahatra ny mana tamin’ iny andro ampitso iny, dia tamin’ ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ ny Zanak’ Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’ izany taona izany.
Josh Mg1865 5:13  Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?
Josh Mg1865 5:14  Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin’ ny mpanomponao, Tompokolahy?
Josh Mg1865 5:15  Dia hoy Ilay Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah tamin’ i Josoa: Esory amin’ ny tongotrao ny kapanao; fa masìna io tany ijanonanao io. Dia nataon’ i Josoa izany.