JUDGES
Chapter 17
Judg | Mg1865 | 17:2 | Ary hoy izy tamin’ ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin’ i Jehovah anie ny zanako. | |
Judg | Mg1865 | 17:3 | Ary rehefa naveriny tamin’ ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an’ i Jehovah mihitsy ity vola avy amin’ ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy. | |
Judg | Mg1865 | 17:4 | Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon’ i Mika izany. | |
Judg | Mg1865 | 17:5 | Ary nanana tranon’ andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony. | |
Judg | Mg1865 | 17:6 | Tamin’ izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra. | |
Judg | Mg1865 | 17:7 | Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin’ ny fokon’ i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao. | |
Judg | Mg1865 | 17:8 | Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin’ izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima tao an-tranon’ i Mika. | |
Judg | Mg1865 | 17:9 | Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin’ izay azoko hitoerana. | |
Judg | Mg1865 | 17:10 | Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita. | |
Judg | Mg1865 | 17:11 | Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy. | |
Judg | Mg1865 | 17:12 | Dia natokan’ i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon’ i Mika. | |