JUDGES
Chapter 8
Judg | Mg1865 | 8:1 | Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Efraima tamin’ i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin’ ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo. | |
Judg | Mg1865 | 8:2 | Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’ izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’ i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’ i Abiezera? | |
Judg | Mg1865 | 8:3 | Teo an-tananareo no nanoloran’ Andriamanitra ny andrianan’ ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ ireo taminy. | |
Judg | Mg1865 | 8:4 | Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany. | |
Judg | Mg1865 | 8:5 | Ary hoy izy tamin’ ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an’ i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ ny Midiana. | |
Judg | Mg1865 | 8:6 | Fa hoy ireo andrianan’ i Sokota: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao? | |
Judg | Mg1865 | 8:7 | Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr’ i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin’ ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo. | |
Judg | Mg1865 | 8:8 | Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin’ ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin’ ny mponina tao Sokota ihany. | |
Judg | Mg1865 | 8:9 | Dia niteny tamin’ ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity. | |
Judg | Mg1865 | 8:10 | Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin’ ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin’ ny miaramila rehetra an’ ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo. | |
Judg | Mg1865 | 8:11 | Ary Gideona niakatra tamin’ ny lalan’ ny mpitoetra an-day, atsinanan’ i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona. | |
Judg | Mg1865 | 8:12 | Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin’ ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. | |
Judg | Mg1865 | 8:13 | Dia niverina avy tamin’ ny ady Gideona, zanak’ i Joasy, avy teo amin’ ny fiakarana Heresa; | |
Judg | Mg1865 | 8:14 | ary nisambotra zatovo tamin’ ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan’ ilay zatovo ny anaran’ ireo andrianan’ i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy. | |
Judg | Mg1865 | 8:15 | Ary Gideona dia nankany amin’ ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka? | |
Judg | Mg1865 | 8:16 | Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota. | |
Judg | Mg1865 | 8:18 | Dia hoy izy tamin’ i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak’ andriana avokoa izy rehetra. | |
Judg | Mg1865 | 8:19 | Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo. | |
Judg | Mg1865 | 8:20 | Ary hoy izy tamin’ i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy. | |
Judg | Mg1865 | 8:21 | Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an’ i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin’ ny vozon’ ny ramevany. | |
Judg | Mg1865 | 8:22 | Dia hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny Midiana ianao. | |
Judg | Mg1865 | 8:23 | Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo. | |
Judg | Mg1865 | 8:24 | Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita). | |
Judg | Mg1865 | 8:25 | Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin’ ny babony teo. | |
Judg | Mg1865 | 8:26 | Ary ny lanjan’ ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin’ ireo mpanjakan’ ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin’ ny vozon’ ny ramevany. | |
Judg | Mg1865 | 8:27 | Dia nataon’ i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’ i Gideona sy ny ankohonany izany. | |
Judg | Mg1865 | 8:28 | Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin’ ny andron’ i Gideona. | |
Judg | Mg1865 | 8:31 | Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka. | |
Judg | Mg1865 | 8:32 | Dia maty Gideona, zanak’ i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin’ ny fasan’ i Joasy rainy tao Ofran’ ny Abiezrita izy. | |
Judg | Mg1865 | 8:33 | Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak’ Isiraely ka nanao an’ i Bala-berita ho andriamaniny. | |
Judg | Mg1865 | 8:34 | Ary ny Zanak’ Isiraely tsy nahatsiaro an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra nanodidina, | |