Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JUDGES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 20
Judg Mg1865 20:1  Dia nivoaka ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa.
Judg Mg1865 20:2  Ary ny loholona rehetra tamin’ ny firenen’ Isiraely niseho teo amin’ ny fiangonan’ ny olon’ Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
Judg Mg1865 20:3  Ary ren’ ny taranak’ i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak’ Isiraely. Dia hoy ny Zanak’ Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
Judg Mg1865 20:4  Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an’ ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
Judg Mg1865 20:5  Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin’ ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
Judg Mg1865 20:6  Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin’ ny tany rehetra izay lovan’ ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin’ ny Isiraely ireo.
Judg Mg1865 20:7  Koa indreto ianareo Zanak’ Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
Judg Mg1865 20:8  Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin’ ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.
Judg Mg1865 20:9  Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin’ i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.
Judg Mg1865 20:10  Ary haka folo lahy isan-jato amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra isika, dia zato amin’ ny arivo, ary arivo amin’ ny iray alina, mba haka vatsy ho an’ ny olona, ka rehefa tonga any Gibean’ ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin’ ny Isiraely no hataony aminy.
Judg Mg1865 20:11  Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
Judg Mg1865 20:12  Ary ny firenen’ Isiraely dia naniraka olona tany amin’ ny firenen’ i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
Judg Mg1865 20:13  Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak’ i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny.
Judg Mg1865 20:14  Ary nivory ny taranak’ i Benjamina avy tamin’ ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Judg Mg1865 20:15  Dia voalamina tamin’ izany andro izany ny taranak’ i Benjamina avy tamin’ ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
Judg Mg1865 20:16  Ary teo amin’ izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin’ ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
Judg Mg1865 20:17  Ary ny lehilahy voalamina tamin’ ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.
Judg Mg1865 20:18  Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
Judg Mg1865 20:19  Dia niainga maraina koa ny Zanak’ Isiraely ka nitoby tandrifin’ i Gibea.
Judg Mg1865 20:20  Ary nivoaka ny lehilahy amin’ ny Isiraely hiady amin’ ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an’ i Gibea.
Judg Mg1865 20:21  Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak’ i Benjamina ka naharingana ny Zanak’ Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany tamin’ izany andro izany.
Judg Mg1865 20:22  Fa nifanome toky ny lehilahy amin’ ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin’ ilay nilaharany tamin’ ny andro voalohany.
Judg Mg1865 20:23  Ary niakatra ny Zanak’ Isiraely ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro, dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.
Judg Mg1865 20:24  Ary ny Zanak’ Isiraely dia nandroso tamin’ ny andro faharoa hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina.
Judg Mg1865 20:25  Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin’ ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak’ Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Judg Mg1865 20:26  Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nifady hanina tamin’ izany andro izany mandra-paharivan’ ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah izy.
Judg Mg1865 20:27  Dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely (fa tao ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany,
Judg Mg1865 20:28  ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona, nijanona teo anoloany tamin’ izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
Judg Mg1865 20:29  Ary nasian’ ny Isiraely otrika manodidina an’ i Gibea.
Judg Mg1865 20:30  Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny andro fahatelo hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ka nilahatra tandrifin’ i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.
Judg Mg1865 20:31  Dia nivoaka ny taranak’ i Benjamina hiady tamin’ ny olona ka voatarika niala tamin’ ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin’ ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
Judg Mg1865 20:32  Ary hoy ny taranak’ i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’ Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ ny tanàna ho any an-dalambe.
Judg Mg1865 20:33  Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely nitsangana niala tamin’ ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin’ fitoerany, avy tao an-tsahan’ i Gibea.
Judg Mg1865 20:34  Ary tonga tandrifin’ i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
Judg Mg1865 20:35  Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan’ ny Isiraely, ary tamin’ izany andro izany ny taranak’ i Benjamina dia nahafatesan’ ny Zanak’ Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Judg Mg1865 20:36  Ary hitan’ ny taranak’ i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely nanao tari-dositra tamin’ ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin’ i Gibea izy.
Judg Mg1865 20:37  Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin’ ny lelan-tsabatra.
Judg Mg1865 20:38  Ary ny famantarana nifaneken’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan’ afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.
Judg Mg1865 20:39  Ary nirona tamin’ ny ady ny lehilahy amin’ ny Isiraely (ny taranak’ i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin’ ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin’ ny ady voalohany;
Judg Mg1865 20:40  fa raha vao niakatra avy tao amin’ ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak’ i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin’ ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
Judg Mg1865 20:41  Ary raha niverina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.
Judg Mg1865 20:42  Dia niamboho teo anoloan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely hankany amin’ ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin’ ny tanàna koa dia novonoiny teo.
Judg Mg1865 20:43  Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin’ i Gibea atsinanany.
Judg Mg1865 20:44  Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
Judg Mg1865 20:45  Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
Judg Mg1865 20:46  Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin’ izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
Judg Mg1865 20:47  Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.
Judg Mg1865 20:48  Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely niverina indray tany amin’ ny taranak’ i Benjamina ka namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra, hatramin’ ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.