Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JUDGES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 11
Judg Mg1865 11:1  Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
Judg Mg1865 11:2  Ary ny vadin’ i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an’ i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin’ ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
Judg Mg1865 11:3  Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin’ ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin’ i Jefta ka niaraka taminy.
Judg Mg1865 11:4  Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.
Judg Mg1865 11:5  Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak’ i Amona, dia nandeha ny loholon’ i Gileada haka an’ i Jefta hiala any amin’ ny tany Toba.
Judg Mg1865 11:6  Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin’ ny taranak’ i Amona.
Judg Mg1865 11:7  Fa hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
Judg Mg1865 11:8  Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin’ ny taranak’ i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
Judg Mg1865 11:9  Dia hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin’ ny taranak’ i Amona, ka hatolotr’ i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
Judg Mg1865 11:10  Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
Judg Mg1865 11:11  Dia nandeha Jefta niaraka tamin’ ny loholon’ i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’ i Jehovah tao Mizpa.
Judg Mg1865 11:12  Dia naniraka olona Jefta nankamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin’ ny taniko ianao?
Judg Mg1865 11:13  Dia hoy ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona tamin’ ny irak’ i Jefta: Satria nalain’ ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin’ ny fihavanana ary izany ankehitriny.
Judg Mg1865 11:14  Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin’ ny mpanakan’ ny taranak’ i Amona
Judg Mg1865 11:15  ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin’ i Moaba na ny tanin’ ny taranak’ i Amona.
Judg Mg1865 11:16  Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin’ ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
Judg Mg1865 11:17  Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan’ i Edoma. Ary naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
Judg Mg1865 11:18  Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’ i Moaba, ka nitoby teo an-dafin’ i Arnona, fa tsy niditra teo anatin’ ny faritanin’ i Moaba; fa Arnona no fari-tanin’ i Moaba.
Judg Mg1865 11:19  Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay mpanjakan’ i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin’ ny fonenanay.
Judg Mg1865 11:20  Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin’ ny Isiraely.
Judg Mg1865 11:21  Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an’ i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan’ ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon’ ny Isiraely ny tanin’ ny Amorita rehetra, mponina tany amin’ izany tany izany.
Judg Mg1865 11:22  Dia nahazo ny tanin’ ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin’ ny efitra ka hatrany Jordana.
Judg Mg1865 11:23  Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
Judg Mg1865 11:24  Moa tsy hotananao izay tany omen’ i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen’ i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
Judg Mg1865 11:25  Moa tsara noho Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
Judg Mg1865 11:26  Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin’ ny tanàna rehetra eny amoron’ i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’ izany andro izany?
Judg Mg1865 11:27  Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
Judg Mg1865 11:28  Nefa tsy nohenoin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona ny tenin’ i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
Judg Mg1865 11:29  Ary tonga tao amin’ i Jefta ny Fanahin’ i Jehovah, dia nandeha nitety an’ i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an’ i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
Judg Mg1865 11:30  Ary Jefta nivoady tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak’ i Amona,
Judg Mg1865 11:31  dia ho an’ i Jehovah Izay mivoaka amin’ ny varavaran’ ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ ny taranak’ i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
Judg Mg1865 11:32  Dia nandeha Jefta nankany amin’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ireo.
Judg Mg1865 11:33  Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin’ i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.
Judg Mg1865 11:34  Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
Judg Mg1865 11:35  Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin’ i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
Judg Mg1865 11:36  Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’ i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak’ i Amona fahavalonao ho anao.
Judg Mg1865 11:37  Dia hoy koa izy tamin’ ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin’ ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin’ ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
Judg Mg1865 11:38  Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin’ ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
Judg Mg1865 11:39  Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin’ ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin’ ny Isiraely
Judg Mg1865 11:40  ny fandehanan’ ny zazavavin’ ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’ i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.