JUDGES
Chapter 5
Judg | Mg1865 | 5:1 | Ary Debora sy Baraka, zanak’ i Abinoama, dia nihira tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: | |
Judg | Mg1865 | 5:2 | Noho ny fitarihan’ ny lehibe tamin’ ny Isiraely sy ny fahazotoan’ ny vahoaka nanolotena, dia miderà an’ i Jehovah. | |
Judg | Mg1865 | 5:3 | Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an’ i Jehovah; hankalaza an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho. | |
Judg | Mg1865 | 5:4 | Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin’ ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano. | |
Judg | Mg1865 | 5:5 | Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan’ i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. | |
Judg | Mg1865 | 5:6 | Tamin’ ny andron’ i Samgara, zanak’ i Anata, sy tamin’ ny andron’ i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ ny mpandeha. | |
Judg | Mg1865 | 5:7 | Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin’ ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ ny Isiraely. | |
Judg | Mg1865 | 5:8 | Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’ izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ ny olona efatra alina tamin’ ny Isiraely? | |
Judg | Mg1865 | 5:9 | Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin’ ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin’ ny vahoaka, miderà an’ i Jehovah ianareo. | |
Judg | Mg1865 | 5:10 | Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin’ ny lalana, samia milaza. | |
Judg | Mg1865 | 5:11 | Lavitra ny feon’ ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin’ ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon’ i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin’ ny tany Isily; Tamin’ izany dia nidina ny olon’ i Jehovah ho any am-bavahady. | |
Judg | Mg1865 | 5:12 | Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin’ i Abinoama. | |
Judg | Mg1865 | 5:13 | Tamin’ izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin’ ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery. | |
Judg | Mg1865 | 5:14 | Ny avy amin’ i Efraima, izay miorina amin’ i Amaleka, dia nomba anao teo amin’ ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan’ ny mpanao lalàna, ary avy tamin’ i Zebolona ireo mitana ny tehin’ ny mpifehy. | |
Judg | Mg1865 | 5:15 | Ary ny andrianan’ Isakara niaraka tamin’ i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ ny sakeli-dranon’ i Robena! | |
Judg | Mg1865 | 5:16 | Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan’ ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin’ ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ ny sakeli-dranon’ i Robena! | |
Judg | Mg1865 | 5:17 | Gileada nitoetra tany an-dafin’ i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin’ ny fitodiany no nipetrahany. | |
Judg | Mg1865 | 5:18 | Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin’ ny fitoerana avo any an-tsaha. | |
Judg | Mg1865 | 5:19 | Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’ i Kanana, dia teo anilan’ ny ranon’ i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. | |
Judg | Mg1865 | 5:20 | Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin’ ny nalehany niady tamin’ i Sisera. | |
Judg | Mg1865 | 5:21 | Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko! | |
Judg | Mg1865 | 5:22 | Tamin’ izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny. | |
Judg | Mg1865 | 5:23 | Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an’ i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an’ i Jehovah hamely ny mahery. | |
Judg | Mg1865 | 5:24 | Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. | |
Judg | Mg1865 | 5:25 | Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian’ andriana no nitondrany rononomandry. | |
Judg | Mg1865 | 5:26 | Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan’ ny mpiasa, dia namely an’ i Sisera tamin’ ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany. | |
Judg | Mg1865 | 5:27 | Teo amin’ ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin’ ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin’ izay niondrehany no niamparan’ ny fatiny. | |
Judg | Mg1865 | 5:28 | Tao amin’ ny varavarankely no nitsirihan’ ny renin’ i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin’ ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian’ ny kalesiny? | |
Judg | Mg1865 | 5:30 | Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon’ i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ ny nahazo babo. | |