Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JUDGES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 21
Judg Mg1865 21:1  Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin’ ny Benjamita.
Judg Mg1865 21:2  Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra mandra-paharivan’ ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
Judg Mg1865 21:3  nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin’ ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin’ ny Isiraely?
Judg Mg1865 21:4  Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
Judg Mg1865 21:5  Ary hoy ny Zanak’ Isiraely: Iza amin’ ny ferenen’ Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin’ ny fiangonana hanatona an’ i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’ izay tsy niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
Judg Mg1865 21:6  Ary ny Zanak’ Isiraely nanenina ny amin’ i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin’ ny Isiraely ankehitriny.
Judg Mg1865 21:7  Ahoana no hataontsika amin’ ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin’ i Jehovah tsy hanome vady azy amin’ ny zanakavavintsika?
Judg Mg1865 21:8  Dia hoy izy: Iza amin’ ny firenen’ Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ ny fiangonana.
Judg Mg1865 21:9  Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin’ ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
Judg Mg1865 21:10  Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin’ ny lelan-tsabatra mbamin’ ny zaza amim-behivavy.
Judg Mg1865 21:11  Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.
Judg Mg1865 21:12  Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ ny tany Kanana.
Judg Mg1865 21:13  Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ ny taranak’ i Benjamina, izay tao amin’ ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
Judg Mg1865 21:14  Dia niverina tamin’ izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
Judg Mg1865 21:15  Ary ny olona nanenina noho ny amin’ i Benjamina, satria nisy nobangain’ i Jehovah ny firenen’ Isiraely.
Judg Mg1865 21:16  Dia hoy ny loholon’ ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an’ ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin’ ny Benjamita?
Judg Mg1865 21:17  Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin’ ny Isiraely.
Judg Mg1865 21:18  Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ ny Benjamita.
Judg Mg1865 21:19  Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’ i Jehovah any Silo, izay avaratr’ i Betela, atsinanan’ ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’ i Lebona.
Judg Mg1865 21:20  Ary nandidy ny taranak’ i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin’ ny tanim-boaloboka,
Judg Mg1865 21:21  ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin’ ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin’ ny tanin’ ny Benjamina indray.
Judg Mg1865 21:22  Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
Judg Mg1865 21:23  Dia nanao izany ny taranak’ i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin’ ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
Judg Mg1865 21:24  Dia samy nandeha niala teo ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany, samy ho any amin’ ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin’ ny lovany avy ny olona rehetra.
Judg Mg1865 21:25  Tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.