NEHEMIAH
Chapter 4
Nehe | Mg1865 | 4:1 | Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’ i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany. | |
Nehe | Mg1865 | 4:3 | Dia nivavaka tamin’ Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’ alina noho ny fahatahoranay azy. | |
Nehe | Mg1865 | 4:4 | Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay. | |
Nehe | Mg1865 | 4:5 | Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa. | |
Nehe | Mg1865 | 4:6 | Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay, | |
Nehe | Mg1865 | 4:7 | dia nasiako olona teo amin’ ny fitoerana ambany, teo ivelan’ ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka. | |
Nehe | Mg1865 | 4:8 | Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo. | |
Nehe | Mg1865 | 4:9 | Ary nony ren’ ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan’ Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin’ ny manda izahay rehetra, samy ho amin’ ny asany avy indray. | |
Nehe | Mg1865 | 4:10 | Ary hatramin’ izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman’ ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon’ ny fianakaviana rehetra amin’ ny Joda. | |
Nehe | Mg1865 | 4:11 | Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin’ ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray. | |
Nehe | Mg1865 | 4:12 | Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin’ ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako. | |
Nehe | Mg1865 | 4:13 | Ary hoy izaho tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin’ ny manda isika ka mifanalavitra. | |
Nehe | Mg1865 | 4:14 | Koa eo amin’ izay fitoerana andrenesanareo ny feon’ ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika. | |
Nehe | Mg1865 | 4:15 | Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin’ ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana. | |
Nehe | Mg1865 | 4:16 | Ary tamin’ izany andro izany dia hoy koa aho tamin’ ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro. | |