NEHEMIAH
Chapter 10
Nehe | Mg1865 | 10:1 | Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay. | |
Nehe | Mg1865 | 10:10 | Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak’ i Azania, Binoy isan’ ny zanak’ i Henadada, ary Kadmiela; | |
Nehe | Mg1865 | 10:29 | Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’ Andriamanitra mbamin’ ny vadin’ ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino, | |
Nehe | Mg1865 | 10:30 | dia samy nikambana tsara tamin’ ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan’ Andriamanitra, izay nampilazaina an’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’ i Jehovah Tompontsika mbamin’ ny fitsipika sy ny lalàny; | |
Nehe | Mg1865 | 10:31 | ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin’ ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakai-lahy; | |
Nehe | Mg1865 | 10:32 | tsy hividy zavatra amin’ ny andro Sabata, na amin’ izay andro masìna, raha misy entana na vary entin’ ny tompon-tany hamidy amin’ ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin’ ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra. | |
Nehe | Mg1865 | 10:33 | Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’ Andriamanitsika: | |
Nehe | Mg1865 | 10:34 | dia ho amin’ ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ ny zava-masìna sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’ Andriamanitsika. | |
Nehe | Mg1865 | 10:35 | Ary nanao filokana izahay ny amin’ ny hanateran’ ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon’ Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin’ ny fotoan’ andro isan-taona, handoroana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna, | |
Nehe | Mg1865 | 10:36 | ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon’ i Jehovah isan-taona isan-taona; | |
Nehe | Mg1865 | 10:37 | ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’ osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon’ i Jehovah Andriamanitsika, ho an’ ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitsika; | |
Nehe | Mg1865 | 10:38 | ary mba hitondranay ho an’ ny mpisorona koa ny voalohan’ ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ ny vokatry ny taninay ho an’ ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin’ ny fambolenay. | |
Nehe | Mg1865 | 10:39 | Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra. | |
Nehe | Mg1865 | 10:40 | Fa ho ao amin’ ireo efi-trano ireo no hitondran’ ny Zanak’ Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ ilay itoeran’ ny fanaky ny fitoerana masìna sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon’ Andriamanitsika izahay. | |