NEHEMIAH
Chapter 5
Nehe | Mg1865 | 5:2 | Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin’ ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay. | |
Nehe | Mg1865 | 5:3 | Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary. | |
Nehe | Mg1865 | 5:4 | Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka. | |
Nehe | Mg1865 | 5:5 | Kanefa mba tahaka ny nofon’ ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin’ ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay. | |
Nehe | Mg1865 | 5:7 | Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy. | |
Nehe | Mg1865 | 5:8 | Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin’ ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny. | |
Nehe | Mg1865 | 5:9 | Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ ny jentilisa fahavalontsika? | |
Nehe | Mg1865 | 5:10 | Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany; | |
Nehe | Mg1865 | 5:11 | eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin’ olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton’ ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy. | |
Nehe | Mg1865 | 5:12 | Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany, | |
Nehe | Mg1865 | 5:13 | sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan’ Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin’ ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an’ i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona. | |
Nehe | Mg1865 | 5:14 | Ary koa, hatramin’ ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ ny tany Joda, dia hatramin’ ny taona faharoa-polo ka hatramin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, dia roa ambin’ ny folo taona izay, izaho sy ny raha! ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman’ ny governora. | |
Nehe | Mg1865 | 5:15 | Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’ Andriamanitra. | |
Nehe | Mg1865 | 5:16 | Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. | |
Nehe | Mg1865 | 5:17 | Ary teo amin’ ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin’ ny firenena manodidina anay. | |
Nehe | Mg1865 | 5:18 | Ary ny namboarina ho ahy isan’ andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman’ ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana. | |