Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
SONG OF SOLOMON
1 2 3 4 5 6 7 8
Prev Up Next
Chapter 1
Song Mg1865 1:1  Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon’ i Solomona.
Song Mg1865 1:2  Enga anie ka hanoroka ahy amin’ ny fanorohan’ ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
Song Mg1865 1:3  Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ ny zatovovavy anao.
Song Mg1865 1:4  Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
Song Mg1865 1:5  Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’ i Jerosalema, toy ny lain’ i Kedara, toy ny ambain-dain’ i Solomona.
Song Mg1865 1:6  Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ ny tenako, tsy mba nandrasako.
Song Mg1865 1:7  Lazao amiko, ry ilay tian’ ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin’ ny andian’ ny namanao?
Song Mg1865 1:8  Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian’ ny ondry aman’ osy, ary andraso eny amin’ ny lain’ ny mpiandry ondry ny zanak’ osinao.
Song Mg1865 1:9  Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin’ ny soavalivaviko mitarika ny kalesin’ i Farao.
Song Mg1865 1:10  Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
Song Mg1865 1:11  Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
Song Mg1865 1:12  Raha mipetraka amin’ ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
Song Mg1865 1:13  Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
Song Mg1865 1:14  Ny malalako dia tahaka ny vonin’ ny kofera amiko, any an-tanimbolin’ i En-jedy.
Song Mg1865 1:15  Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.
Song Mg1865 1:16  Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
Song Mg1865 1:17  Sedera ny sakamandimbin’ ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.