Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
TITUS
1 2 3
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
Titu Mg1865 2:1  Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema;
Titu Mg1865 2:2  ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ ny finoana, amin’ ny fitiavana, amin’ ny faharetana.
Titu Mg1865 2:3  Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masìna, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
Titu Mg1865 2:4  mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
Titu Mg1865 2:5  hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’ Andriamanitra.
Titu Mg1865 2:6  Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
Titu Mg1865 2:7  ka amin’ ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
Titu Mg1865 2:8  ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.
Titu Mg1865 2:9  Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
Titu Mg1865 2:10  tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ ny zavatra rehetra.
Titu Mg1865 2:11  Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
Titu Mg1865 2:12  mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao,
Titu Mg1865 2:13  miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,
Titu Mg1865 2:14  Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.
Titu Mg1865 2:15  Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.