ZECHARIAH
Chapter 11
Zech | Mg1865 | 11:2 | Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro | |
Zech | Mg1865 | 11:3 | Injay! fidradradradran’ ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron’ ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana | |
Zech | Mg1865 | 11:5 | dia ireo vonoin’ ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy | |
Zech | Mg1865 | 11:6 | Fa tsy hiantra ny mponina amin’ ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan’ ny namany sy samy ho eo an-tanan’ ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin’ ny tànany Aho. | |
Zech | Mg1865 | 11:7 | Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry. | |
Zech | Mg1865 | 11:8 | Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin’ ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny. | |
Zech | Mg1865 | 11:9 | Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ ny namany avy. | |
Zech | Mg1865 | 11:10 | Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ ny firenena rehetra. | |
Zech | Mg1865 | 11:11 | Ary tapaka tamin’ izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin’ i Jehovah izany. | |
Zech | Mg1865 | 11:12 | Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo. | |
Zech | Mg1865 | 11:13 | Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin’ ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin’ ny mpanefy tanimanga tao an-tranon’ i Jehovah. | |
Zech | Mg1865 | 11:14 | Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian’ i Joda sy Isiraely. | |
Zech | Mg1865 | 11:16 | Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. | |