ECCLESIASTES
Chapter 12
Eccl | Mg1865 | 12:1 | Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao; | |
Eccl | Mg1865 | 12:2 | dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana; | |
Eccl | Mg1865 | 12:3 | fa amin’ izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely, | |
Eccl | Mg1865 | 12:4 | ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon’ ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra; | |
Eccl | Mg1865 | 12:5 | ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe | |
Eccl | Mg1865 | 12:6 | dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano, | |
Eccl | Mg1865 | 12:7 | ka ny vovoka dia hiverina amin’ ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’ Andriamanitra, Izay nanome iny. | |
Eccl | Mg1865 | 12:9 | Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy. | |
Eccl | Mg1865 | 12:10 | Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ ny fahamarinana. | |
Eccl | Mg1865 | 12:11 | Ny tenin’ ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen’ ny mpiandry iray izy; | |
Eccl | Mg1865 | 12:12 | ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be. | |
Eccl | Mg1865 | 12:13 | Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ ny olona rehetra. | |