Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I SAMUEL
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 29
I Sa Mg1865 29:1  Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan’ ny loharano ao Jezirela.
I Sa Mg1865 29:2  Ary ireo andrianan’ ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’ arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin’ i Akisy.
I Sa Mg1865 29:3  Ary hoy ireo andrianan’ ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin’ ireo andrianan’ ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon’ i Saoly, mpanjakan’ ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
I Sa Mg1865 29:4  Dia tezitra taminy ireo andrianan’ ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin’ ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ inona no hahazoan’ io sitraka amin’ ny tompony? Tsy amin’ ny lohan’ ireto olona ireto va?
I Sa Mg1865 29:5  Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: “Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?”
I Sa Mg1865 29:6  Ary Akisy niantso an’ i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ ireo andriana ireo ianao.
I Sa Mg1865 29:7  Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak’ ireo andrianan’ ny Filistina.
I Sa Mg1865 29:8  Fa hoy Davida tamin’ i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko?
I Sa Mg1865 29:9  Ary Akisy namaly an’ i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin’ Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan’ ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
I Sa Mg1865 29:10  Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin’ ny mpanompon’ ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
I Sa Mg1865 29:11  Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin’ ny tanin’ ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.