I SAMUEL
Chapter 16
I Sa | Mg1865 | 16:1 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’ i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’ i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ ny zanany Aho. | |
I Sa | Mg1865 | 16:2 | Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren’ i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho. | |
I Sa | Mg1865 | 16:3 | Ary antsoy Jese mba ho any amin’ ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao. | |
I Sa | Mg1865 | 16:4 | Ary Samoela nanao izay nolazain’ i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao? | |
I Sa | Mg1865 | 16:5 | Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ ny fanatitra. | |
I Sa | Mg1865 | 16:6 | Ary nony tonga ireo, dia nijery an’ i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr’ i Jehovah tokoa ity eto anatrehany. | |
I Sa | Mg1865 | 16:7 | Fa hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’ i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. | |
I Sa | Mg1865 | 16:8 | Ary Jese niantso an’ i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah. | |
I Sa | Mg1865 | 16:9 | Ary Jese dia nampandalo an’ i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah. | |
I Sa | Mg1865 | 16:10 | Ary Jese nampandalo fito lahy tamin’ ny zanany teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy Samoela tamin’ i Jese: Tsy nofidin’ i Jehovah ireto. | |
I Sa | Mg1865 | 16:11 | Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto. | |
I Sa | Mg1865 | 16:12 | Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy. | |
I Sa | Mg1865 | 16:13 | Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ ny rahalahiny; ary ny Fanahin’ i Jehovah dia nilatsaka tamin’ i Davida hatramin’ iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama. | |
I Sa | Mg1865 | 16:14 | Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy. | |
I Sa | Mg1865 | 16:15 | Ary hoy ny mpanompon’ i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra mampahatahotra anao. | |
I Sa | Mg1865 | 16:16 | Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin’ ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao. | |
I Sa | Mg1865 | 16:17 | Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko. | |
I Sa | Mg1865 | 16:18 | Dia namaly ny anankiray amin’ ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ ny zanak’ i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy. | |
I Sa | Mg1865 | 16:19 | Ary Saoly dia naniraka tany amin’ i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry. | |
I Sa | Mg1865 | 16:20 | Ary Jese naka mofo tokony ho zakan’ ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak’ osy, ka nampitondrainy an’ i Davida zanany ho an’ i Saoly ireo. | |
I Sa | Mg1865 | 16:21 | Ary Davida tonga tany amin’ i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany. | |
I Sa | Mg1865 | 16:22 | Ary Saoly naniraka tany amin’ i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy. | |