I SAMUEL
Chapter 21
I Sa | Mg1865 | 21:2 | Ary Davida tonga tany Noba, tany amin’ i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin’ i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao? | |
I Sa | Mg1865 | 21:3 | Dia hoy Davida tamin’ i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’ olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko. | |
I Sa | Mg1865 | 21:5 | Ary ny mpisorona namaly an’ i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masìna ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo. | |
I Sa | Mg1865 | 21:6 | Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin’ ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin’ izaho niainga dia masìna ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masìna aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka. | |
I Sa | Mg1865 | 21:7 | Ary ny mpisorona nanome azy mofo masìna; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan’ i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin’ ny andro nanesorana azy. | |
I Sa | Mg1865 | 21:8 | (Nefa nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ i Saoly teo tamin’ izany andro izany, voahazona teo anatrehan’ i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben’ ny mpiandrin’ i Saoly izy.) | |
I Sa | Mg1865 | 21:9 | Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan’ ny mpanjaka. | |
I Sa | Mg1865 | 21:10 | Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’ i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin’ ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon’ ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy. | |
I Sa | Mg1865 | 21:11 | Ary Davida niainga nandositra tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ i Saoly, dia nankany amin’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata. | |
I Sa | Mg1865 | 21:12 | Ary hoy ny mpanompon’ i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina? | |
I Sa | Mg1865 | 21:13 | Ary dia nalatsak’ i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata, indrindra izy. | |
I Sa | Mg1865 | 21:14 | Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin’ ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin’ ny somony ny iviny. | |
I Sa | Mg1865 | 21:15 | Ary hoy Akisy tamin’ ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy? | |